Archives des Nouvelles

ARCHIVES DES NOUVELLES:

-=$=-

Arahaba tratra ny taona 2023

         Tonga indray ity ny taona vaovao. Ny Sekoly Malagasy eto Montreal dia faly miarahaba antsika rehetra mpiray tanindrazana aty Kanada.

          Ho soa,sy ho tsara anie ny taona vaovao ho diavintsika eto an-toerana sy ny any Madagasikara. Homen’Andriamanitra ny fahasalamana daholo, sy ombàm-piadanana, ary fahombiazana harahim-pifaliana lalandava anie ny taona manontolo. 

La S.M.M. vous souhaite une Bonne Année 2023, 

-=$=-

Nandray anjara tamin’io hetsika io ny SMM tamin’ny fanolorana kabary, ao amin’ny ARCHIVES DES NOUVELLES no ahitanao ilay kabary.

La SMM y a participé par un kabary

-=$=-

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ny fihaonana mialoha korana

Ny tsiky mialoha hafaliana

Ny azafady mialoha fitenenana

Ary ny teny tsy manao azafady, toa zanaka ny tsy mahalala fomba

Koa azafady Tompokolahy, mahafadia indrindra Tompokovavy

Manaraka izany, ny tsiny hono tahaka ny fanala, tsy hita fa mahangoly. Tsy hanao kabary lava fialan-tsiny aho satria ny fotoana tsy azo hivalaparana. Koa ny teniko dia hoe: Miala tsiny Tompokolahy, miala tsiny Tompokovavy amin’izay mety hanasy ny voninahitrareo na amin’izay mety tsy ho fahalavorarin’ny rehetra.

Rehefa afaka ny tsiny dia malalaka ny lalan-kizorana, maivana ny teny ambara. Koa ny hasina sy ny firarian-tsoa dia atolotra an’ireo Andriampanana azy avy. Avo tsy mihoatra an’Andriamanitra, fa Izy no nahary izao tontolo izao ka atolotsika azy ny hasina ambony indrindra. Manaraka izany amin’ny maha olombelona kosa dia ho to hasina sy hambinin-drary isika rehetra.

Arahabaina tsy vakivolo ianareo amin’izao antoandro be nanahary izao. Mavitrika tia lanonana sady mijery no jerena. Arahabaina toy izany koa ny Malagasy Mifanohana eto Kanada. Toy ny tsioka mamelona aina sy tsioka malefaka maha-miran-tsaina. Manantitra ny arahaba anareo nahandro sy nahamasaka any ity andro malazan’ny kolontsaina eto Kanada anio ity. Ianareo tokoa no sakaizam-pahombiazana ny olo-mavitrika. 

Hoy toy ny rano velona ianareo

Miboika hanavozan-tsoa

Mikoriana handraisan-kery

Mipariaka manasoa ny tontolo.

Izay no ela, Tompokolahy sy Tompokovavy, hoy isika, fa ela tsy azo nodinganina, fa lalana tsy maintsy nombana sy tetezana tsy maintsy hidirana amin’ny vontoatin-dresaka. Tsy soavaly vahiny isika ka tsy mahalala an’I Mahamasina na Ny Sekoly Malagasy eto Montreal izany hoe ny SMM. Ny fikambanana tsy hoe nanao afon-jozoro ka indray niredaka dia vita, fa nanao afon’apombo niandry mpitsoka hamana sy hahamasaka. Ny dingana vita midika ho firosoana, fa ny asa lavorary midika ho fahombiazana. Efa nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fampianarana ampitain-davitra ny teny malagasy.  Mandranto ny fianarana teny malagasy tokoa isika satria teny mamitsika izy io ary tsy ho avelantsika ho faty indrindra ho an’ireo zanaka amam-para. Koa hilazao sy taomy ny havana aman-tsakaiza fa misokatra hatrany ny fisoratana anarana. Ny fifandraisana sy ny mailaka dia azo jerena ao @ Facebook sy ao @ tranonkala ny SMM.

Eto am-pamaranana ary, Tompokolahy sy Tompokovavy, mbola mamerin-tsaotra manati-tsitraka ho antsika rehetra hatrany. Mankasitraka indrindra ny fikambanana tompon’andraikitra izay nanome anjara fitenenana any SMM. Araka izany, hirobona tokoa anie ny fanajana sy ny fanandrianana ny kolontsaina Malagasy. Hivelatra ka tsy ho voasankan-jo vy ny lazan’ny Malagasy Mifanohana eto Kanada. Ho lava andro iainana hanefana adidy. Tongava amin’ny tanjona tratrarina avokoa.

Misaotra Tompokolahy

Mankasitraka Tompokovavy

-=$=-

Samedi 28 novembre 2020 à 18h : 1ère séance d’information pour l’année 2020-2021, lien Zoom à communiquer par email.

notre email: birao.mpitantana.smm@sekoly-malagasy-montreal.com

Adresse postale: 3490 Fabien Laberge, H4E-4P8, Montréal, Québec; 514-761-6219, ou au : 514-998-7236

-=$=-

L’Ecole Malagasy de Montréal à des fins purement éducatives, sociales, culturelles et sans intention de gain pécuniaire pour ses membres, elle veut faire connaître Madagascar auprès des Québécoises et Québécois de toutes origines, auprès des Canadiennes et Canadiens; elle veut promouvoir des activités éducatives, interculturelles telles la danse folklorique, les jeux traditionnels, la musique traditionnelle, les cours de langue, les échanges interculturels et autres du même genre à la compréhension de la langue et de la culture malgache et soulignant ainsi l’apport des communautés culturelles, la sienne, à l’évolution de la culture québécoise en termes de compréhension mutuelle, d’identité et d’intégration  dans le pays d’accueil (Québec, Canada).

-=$=-

FAMPAHALALANA MAHASOA

Adiresy : 3490 Fabien Laberge, H4E-4P8, Montréal, Québec; 514-761-6219 .

                 email:   sekfolk@yahoo.fr  

Toerana fianarana :

Centre Afrika, 1644 rue St Hubert, Montréal, Qc H2L-3Z3, 514-843-4019           

NA

CRCS St Zotique, 75 rue Sir Georges Étienne-Cartier, Montréal, Qc H4C-3A1, 514-935-2001


Ny Toeram-pianarana dia mety miova arakaraky ny zava-misy.

Ora : manomboka amin’ny 2 ora ka mifarana amin’ny 4 ora;

Taom-pianarana :

tapan’ny voalohany, septambra-janoary

. tapan’ny faharoa, febroary-jiona

Isakin’ny sabotsy faharoa na fahatelon’ny volana sy ny sabotsy faran’ny volana  

Iangaviana isika hijery hatrany ny filazana ao amin’ny

seraseragasyCA@yahoogroups.com  na ao amin’ny filazam-baovao dernières nouvelles(site) na hiantso ny 514-761-6219

Saram-pianarana :

  1. a) tanora na ankizy: 5$
  2. b) lehibe: 10$ isakin’ny cours iray (maharitra adin’ny roa)

Ny vola azo avy amin’izany dia :

  1. a) hanampiana ny fitaovana izay ilaina amin’ny fianarana;
  2. b) hividianana fanomezana hozaraina amin’ny Halloween, Krismasy, fitsingerenan’ny taona nahaterahana sns;
  3. d) hividianana ny fanalana hetaheta isaky ny mihaona.

Taona 2008-2009 (daty) :

  1. 27 septambra 2008
  2. 11 et 25 oktobra 2008
  3. 08 ou 15 et 29 novambra 2008
  4. 13 sy 20 desambra 2008
  5. 17 sy 31 janvier 2009
  6. 14 sy 28 février 2009
  7. marsa 2009,mbola ho avy
  8. aprily 2009, mbola ho avy
  9. may 2009, mbola ho avy
  10. jiona 2009, mbola ho avy

Sokajin’ny sekoly :

  1. Ny madinika ka hatramin’ny dimy taona;
  2. Ny enin-taona ka hatramin’ny valo taona;
  3. Ny sivy taona ka hatramin’ny iraikambinifolo taona;
  4. Ny roambinifolo taona ka hatramin’ny efatrambinifolo taona;
  5. Ny dimy ambinifolo taona no miakatra.

 

Misy koa ny fianarana ho an’ny olon-dehibe

Ny fisoratana anarana dia mandavan-taona

-=$=-

INFOS PRATIQUES

Adresse postale: 3490 Fabien Laberge, H4E-4P8, Montréal, Québec; 514-761-6219.

                          mail sekfolk@yahoo.fr  

Lieu des cours:

Centre Afrika, 1644 rue St Hubert, Montréal, Qc H2L-3Z3, 514-843-4019

OU

CRCS St Zotique, 75 rue Sir Georges Étienne-Cartier, Montréal, Qc H4C-3A1, 514-935-2001

Horaire et fréquence des cours:

. Jeunes : de 14h à 16h, 2 fois/mois; le 2e OU le 3e samedi du mois ET le dernier samedi du mois

. 1 ère session, septembre à janvier

. 2ème session, février à juin;

. pour la confirmation de la date et du lieu, veuillez quand même consulter les avis mensuels publiés sur : seraseragasyCA@yahoogroups.com ou sur le site même de l’École au dernières nouvelles ou appeler le 514-761-6219.

Informations aux parents:

les enseignants bénévoles sont disponibles à donner de plus amples informations aux parents concernant le programme de la journée avant ou après le cours de 13h45 à 14h, de 16h à 16h15.

Inscriptions:

il n’y a pas de frais d’inscription

inscription et entrée continue

Frais de cours:

Nous avons 2 sessions :

.  de septembre à janvier, 5$  par jeune

. de février à juin, 5$ par jeune

Pour les adultes :

10$  pour un cours de 2h

Ces frais assument:

 la collation de chaque cours

 une partie des fournitures scolaires, les photocopies

 . les friandises à l’Halloween, à Pâques, les présents à Noël, les anniversaires, etc.

 . le repas de la fête de l’année scolaire en juin

Classes offertes:

En 1995-1998, les jeunes étaient environ au nombre de 10.  Leur nombre  augmente continuellement et l’école, actuellement, en dénombre 35.

  1. 3 à 5 ans
  2. 6 à 8 ans
  3. 9 à 11 ans
  4. 12 à 14 ans
  5. 15 ans et plus
  6. cours pour les adultes, de plus en plus en demande + cours en efficacité interculturelle pour Madagascar
  1. Année scolaire 2008-2009 (calendrier des cours): 
  2. 27 septembre 2008
  3. 11 et 25 octobre 2008
  4. 08 ou 15 et 29 novembre 2008
  5. 13 et 20 décembre 2008
  6. 17 et 31 janvier 2009
  7. 14 et 28 février 2009
  8. mars 2009, 
  9. avril 2009, 
  10. mai 2009, 
  11. juin 2009, 

C’est sujet à changement à partir de 2015( veuillez contacter 514-761-6219) ou envoyer un email: sekfolk@yahoo.fr 

-=$=-

FETIM-PIRENENA MALAGASY TETO MONTRÉAL 2019

-=$=-

-=$=-

A tous les compatriotes Malagasy au Canada
si vous êtes intéressé à animer bénévolement le stand de jeux traditionnels Malagasy, nous vous invitons à contacter le Sekoly Malagasy au 438-875-62-09 ou écrire à sekfolk@yahoo.fr d’ici le jeudi 18 août 2016.
Merci de votre participation.
Le bureau.

-=$=-

Miarahaba alinalina,
Misaotra indrindra nanome fanamarihana Mme Lala. Indro ary ilay version vaovao nohavaozina araka ny tsikera azo, ary ho averina aparitaka. Raha sendra mbola misy fanamarihana tian-katao dia mba miangavy indrindra
mba amintsika ireto ihany aloha ilay izy no mivantana. Mankasitraka hatrany

-=$=-

Cabane à sucre 2O15

Asabotsy faha 14 marsa 2015, ny fotoana amin’ny 3h45
Amin’ny 4 ora misakafo

Érablière à la Feuille d’Érable
156 Chemin du Sous Bois, Mont-St-Grégoire, QC J0J 1K0, Canada

Tarif 19$ groupe de 20 personnes
Sinon 21$/personne
Tarif enfants :
Gratuit pour les enfants âgés de 0 à 3 ans ! Maximum 2 enfants gratuits accompagnés d’un adulte au prix régulier.
Enfant de 4 à 12 ans : 6,96$ H.T.

Tsy mandray carte de credit na debit

1.Sakafo araka ny hanitra nentin-drazana eto Canada.
2. Korana : danse et animation sur place

Tongava maro!
Ny birao Sekoly Malagasy eto Montreal
438-875-6209
http://sekoly-malagasy-montreal.com/

Directions routières :

De Montréal :

  1. Autoroute 10 (Autoroute des Cantons de l’Est)
    2. Sortie 37
    3. Suivre les enseignes bleues touristiques « ÉRABLIÈRES du MONT-ST-GRÉGOIRE »

-=$=-

Ny Sekoly Malagasy eto Montréal dia faly manolotra ny FIRARIAN-TSOA
ho antsika Malagasy maneranana an’i Kanada amin’izao fahatongavan’ ny KRISMASY 2014 izao.
Ho Noelim-pifaliana anie ny ho diavintsika mianakavy sy ho fanamafisam- pihavanana sy firaisan-kina
amin’ny maha malagasy antsika.

Mirary antsika rehetra ho tratry ny Taona 2015 vaovao. Ho vy vato aina ka hahatratra ny taom-polo mitsingeringerina, hohasoavin’Andriama nitra amin’izay rehetra hatao.

Ny birao
www.sekoly-malagasy-montreal.com

-=$=-
Chers Compatriotes au Canada,
Chers Amis de Madagascar,

L’École Malgache de Montréal est heureuse de vous présenter ses MEILLEURS VOEUX pour ce Noel 2014
et pour la Nouvelle Année 2015.

Que santé, prospérité, paix et harmonie nous accompagnent tous!!

Merci,
Le bureau.

-=$=-

Vitrine sur Madagascar

Savoir-faire aux jeux traditionnels

par l’École Malgache de Montréal

aux Week-Ends du Monde

Parc Jean Drapeau

les 7 et 8 juillet 2012

De 12h à 19h

C’est une invitation!

Au plaisir de vous y voir!

-=$=-

La Fête des Enfants de Montréal déménage au Parc Jean Drapeau,

Île Sainte-Hélène Année VI pour la S.M.M

L’École Malgache de Montréal sera au Parc Jean Drapeau

le samedi 18 et le dimanche 19 août 2006 de 10h30 à 17h30h

pour la 9e édition de la Fête des Enfants.

Les enfants et les jeunes malgaches y partageront leur patrimoine culturel avec

les diverses communautés culturelles de Montréal.

À notre kiosque, les animateurs initieront le public :

  1. aux jeux traditionnels malgaches (katro, fanorona, etc)
  2. jeu d’adresse malagasy à la tente 44

Convaincue que le folklore est un moyen qui permet d’illustrer le patrimoine des diverses communautés,

la Fête des enfants de Montréal invite les enfants et les jeunes de la S.M.M aux prestations de danse traditionnelle.

Date : Dimanche 19 août

Heure d’arrivée au Parc : 12h30

Heure activité : 13h30

Site : Scène des P’tits Clins d’oeil

Si vous pouvez être animateur bénévole, veuillez appeler le bureau au 514-831-0485 ou 514-483-5072

-=§=-

Bonjour à tous et à toutes,

Photos: jumelage interculturel et spectacle à Québec les 11,12,13 mai 2007, cliquer sur http://ssmmtl.skyblog.com/50.html

Fête des Enfants de Montréal: rendez-vous au Parc Jean Drapeau le samedi 18 août et le dimanche 19 août 2007; d’autres détails suivront.

Merci et nous vous souhaitons un bel été,

Le Bureau

-=§=-

Miarahaba antsika rehetra,

Efa vonona daholo ny raki-tsarin’ny fihetsiketsehana rehetra nataon’ny Sekoly, Aogositra 2006- April 2007,

http://ssmmtl.skyblog.com/9.html

Sy ny hetsika manaraka ho atao amin’ity volana may ity www.troupevbv.qc.ca

Misaotra antsika,

Ny birao

Bonjour à tous,

Toutes le photos des activités de L’École Malgache de Montréal de Août 2006- avril 2007 sur ce: http://ssmmtl.skyblog.com/9.html

Les prochaines activités pour ce mois de mai sont sur le site www.troupevbv.qc.ca

Merci à tous,

Le bureau

-=§=-

Miarahaba antsika rehetra,

Amin’ny sabotsy 21 aprily izao ny fihaonanan-tsika amin’ity volana ity. Io andro io dia ho atokana ho an’ny activité fitsidihana ny Musée de la Personne na Musée de l’Histoire de Montréal izay miara miasa amin’ny Sekoly.

Hisy autobus 48 places atokana ho amin’izany. Koa misokatra ho antsika rehetra tsy ankanavaka io fanasana io. Angatahana isika izay andeha mba hisoratra anarana ao amin’ny mailaka:

sekfolk@yahoo. fr na sekfolk@hotmail. com na koa hiantso hatramin’ny alakamisy faha 19 aprily izao:

514- 831-0485

Ny autobus dia ho avy ao amin’ny Saint-Jean-de- Matha, métro Monk amin’ny 12h30 (samy mitondra sandwich sy rano) dia aterin-dreo indray isika amin’ny 3 ora sy sasany.

Ho an’ireo izay tonga dia ho any, ity ny adiresin’ny musée:

Centre d’histoire de Montréal
410, Saint Nicolas

Vieux Montréal

Misaotra antsika

Ny Birao

-=§=-

Miarahaba antsika rehetra,

Araka ny fandaharam-potoana ao amin’ny SMM, dia mampatsiahy antsika ilay fitsangatsanganana cabane à sucre taona 2007 izay atao ny alahady 15 aprily izao.

Toy izao ny andininy:

Toerana:Le Beau Site

Vidim-pidirana: 12$

Ankizy 4-12 taona: 6$

Tanora 13-16 taona: 8$

Tsy miantoka ny fitaterana ny SMM fa ny fotoana dia eo am-baravarana fa misy toerana efa natokana ho antsika dia mahazo fihenam-bidy (5$).

Tongava marobe, taomy sy ilazao ireo namana aman-tsakaiza rehetra: sakafo maro karazana, toerana lehibe azo andihizana, fitaingenana sarety, etc.

Manomboka amin’ny 11h30 maraina ny fotoana koa dia manantena hihaona tsy ho ela.

Raha mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso ny mpikarakara amin’ireto nomerao ireto:

514-831-0485

Ny Birao

De Montréal, autoroute 10 Est, sortie 37,
suivez les panneaux touristiques bleus
Érablière Mt St-Grégoire
3e érablière à gauche dans la montagne 150, chemin Sous-Bois
Mont St-Grégoire,Qué bec,
J0J 1K0

-=§=-

Miarahaba antsika rehetra

Vita soa aman-tsara tao anatin’ny fahombiazana tanteraka ny BAL tamin’ny asabotsy 17 mars izay nokarakarain’ny Sekoly Malagasy natao tao amin’ny Centre Guybourg, Montréal. .

Fisaorana no atolotra antsika tamin’ny fandraisantsika anjara sy ny fifanampiantsika tamin’ireo asa goavana niandry, nentina nanatanterahana io alim-pandihizana io. Na dia hita aza ny toetr’andro dia manolotra ny fisaorana ho an’ireo vahiny marobe, an’ireo mpiray tanin-drazana tonga nanafana ny fotoana ny 17 mars izany.

Fisaorana ho an’i Haingo izay tonga nandravaka iny takariva iny tamin’ny hira isan-karazany, ny DJ Zo sy Andry nanafana sy nanetsiketsika tamin’ny dihy sy mozika-maro samihafa, fisaorana ho an’ny mpikarakara rehetra tamin’iny takariva iny.

Fisaorana no atolotra ho an’ny tsirairay avy tapaka sy namana manohana hatrany ny Sekoly malagasy eto Montréal. <Tantely tapabata tompoko no isaoranay anareo ka ny fonay no mameno azy>
Hoy ny Ohabolan-Drazantsika.
.

Ny Birao

NB: ny sary rehetra tamin’ny takariva iny sy ny fihetsiketsehana rehetra volana marsa dia haseho tsy ho ela.

-=§=-

Chers Compatriotes, chers Amis de Madagascar,

Nous venons de passer ensemble une super fête samedi dernier!Pour entamer le printemps, c’était génial!

Notre campagne de financement de cette année 2007 a été un franc succès!

Nos sincères remerciements à Haingo, à DJ Zo, à Andry .à tous ceux qui de près ou de loin se sont occupés de la soirée,à vous tous qui ont répondu à notre invitation..

Le bureau

NB : Nous sortirons sous peu les photos de cette soirée et de toutes les activités du mois de mars de l’Écolee toutes les activités du mois de mars de l’École

-=§=-

Miarahaba antsika rehetra,

Manasa antsika rehetra hiaraka handihy sy hikorana hanafana io sabotsy faha 17 marsa fihetsiketsehana karakarain’ny SMM eto Montréal.

Toerana: CLAC de Guybourg
1905, rue de Cadillac
Montréal, Québec, H1N 2T4

(métro Cadillac direction Honoré-Beaugrand, mandray bus 32 mandeha mianatsimo miala kihon-dalana Ontario sy Cadillac). 7 minitra eo ho eo avy eo amin’ny métro.

Fidirana: 12$ (16 taona no miakatra)

Efa azo vidiana mialoha ny billet. Tsy misy famandrihan-toerana.

Ora: manomboka amin’ny 7 ora hariva

Ampitapitao amin’ireo tapaka sy namana rehetra fa ny fahafinaretana ho azo ny adidy ho vita: hirahira maro karazana, fandihizana samihafa ho an’ny rehetra, tsakitsaky, jiro sy zava-maneno, ets.

Raha mila fanazavana fanampiny dia azo antsoina ny mpiandraikitra.

Ny Birao

514-831-0485

Chers Compatriotes, Amis et Amies de Madagascar,

l’École Malgache de Montréal (SMM) a le plaisir de lancer sa Campagne de Financement par une soirée dansante où nous vous attendons en grand nombre.

DAte: samedi 17 mars

Heure: à partir de 19h

Lieu: CLAC de Guybourg
1905, rue de Cadillac
Montréal, Québec, H1N 2T4

métro Cadillac-ligne verte-direction Honoré Beaugrand, autobus 32 sud, arrêt Ontario est/Cadillac (à 6 minutes du métro)

Prix d’entrée: 12$ (16 ans et plus)

Notons que l’argent ramassé assumera les nombreuses activités prévues de l’École pour l’année 2007.

Chants, danses chorégraphiques seront de la soirée.

Les billets sont déjà en vente

Le bureau

514-831-0485

Miarahaba antsika rehetra.¸.

Mitohy ny fihetsiketsehana maro samihafa ato amin’ny sekoly, ka ireto ny daty tsara ho tadidiana momba izany. Omena miandalana eny ihany ny andinindininy isaky ny vaninandro.

1) Sabotsy 17 febroary 2007 : fianarana manaraka manomboka amin’ny 2 ora hatramin’ny 4 ora. Ny fisoratana anarana dia mbola misokatra, ny saram-pianarana dia 5 $ mandritra ny taona ny ankizy iray.

2) Sabotsy 17 marsa :takariva fikoranana (( bal, hira ,dihy ) karakarain’ny sekoly hanasana antsika rehetra tsy an-kanavaka. Ny toerana sy ny ora dia holazaina aoriana.

3) Sabotsy 24 marsa: fianarana manaraka manomboka amin’ny 2 ora hatramin’ny 4 ora.

4)Sabotsy 31 marsa 2007 : Fitsangatsanganana cabana à sucre.

Manantena hatrany ny fanohanana ireto tanora malagasy ao amin’ny Sekoly amin’izany ezaka sy fehetsiketsehana izany mba hanatanterahana ireo tanjona sy hampandroso ny asa avy amintsika rehetra zoky, namana , ray aman-dreny tsy an-kanavaka.

Tsidiho matetika ny tranokala.www.smm.fr.tc

Misaotra tompoko !

Ny Birao.

-=§=-

Miarahaba antsika rehetra tsy an-kanavaka izahay ato amin’ny SMM amin’izao taona vaovao ho diavintsika izao..Hitondra soa, fanambinana arahim-pahasalamana lalandava anie ity taona 2007 ity .

Manaraka izany dia fisaorana eram-po eran-tsaina ianareo tonga marobe namaly ny fanasana tamin’ny 31 desambra. Tao anatin’ny filaminana fifaliana no nankalazaintsika ny faha-10 taona nijoroan’ny SMM sy nandraisantsika ny taona vaovao 2007 eto Montréal..

Koa samia ho hotahin’Andriamanitra isika tsirairay amin’izay rehetra ataontsika, amin’ireto adidy hatrehintsika dia ny fanabeazana ny zanantsika tsy hanadino ny tanindrazana sy ny teny Malagasy ..

Dia manantena fa hanjaka amintsika hatrany ny fifankatiavana sy ny fihavanana malagasy..

Tratry ny taona e ! Misaotra tompoko !.

Ny Birao

-=§=-

-=§=-

-=§=-

L’ÉCOLE MALGACHE DE MONTRÉAL 1995-2006

Pour Fêter ses Dix Ans

et souligner LA NUIT De LA SAINT-SYLVESTRE

Soirée dansante le 31 décembre 2006

Animée par Donné Roberts

et son groupe et des invités surprises

au CRCS ST-Zotique

75, square Sir-Georges Étienne-Cartier

Montréal, dès 20h

D’autres détails suivront

514-831-0485 ou 514-522-2877

NY SEKOLY MALGASY eto MONTREAL 1995-2006

Ho fankalazana ny faha-folo taona niorenany

sy hamaranana ny taona 2006

Dia hanao alim-pandihizana

hafanain’i Donné Roberts’group

sy mpihira maro samy hafa

Manomboka amin’ny valo ora alina

ao amin’ny CRCS ST-ZOTIQUE

75, square Sir-Georges-Étienne-Cartier, Montréal

Ny 31 desambra 2006

Manasa antsika rehetra

ny Birao

http://www.smm.fr.tc

sekfolk@hotmail.com

514-831-0485 na 514-522-2877

-=§=-

SEMAINE QUÉBÉCOISE DES RENCONTRES INTERCULTURELLES: 1er-8 octobre 2006

École Malgache de Montréal, journée interculturelle le samedi 7 octobre 2006

Bonjour à toutes et à tous

Comme à chaque année le ministère responsable de la Semaine québécoise des rencontres interculturelles réserve la première semaine d’octobre pour faire connaître les différentes communautés culturelles. En 2004, Le Sekoly Malagasy y a participé par une Journée Portes Ouvertes. En 2005, nous avons organisé les rencontres interculturelles le 7, 8, 9 octobre.

Cette année 2006, la rencontre interculturelle sera le samedi 07 octobre

de 10h à 17h

Au Centre Culturel Georges-Vanier

2450 Workman, Montréal (Notre-Dame Ouest/Vinet)

Métro Lionel-Groulx

L’école et tous ceux qui travaillent de près ou de loin avec elle, par le biais de ses activités, feront connaître aux autres communautés culturelles, aux Québécois et Canadiens ce qui fait Madagascar et les Malgaches.

Le programme détaillé de cette journée sera publié sous peu. Nous vous invitons donc à venir en grand nombre. Entrée libre

Le bureau de la S.M.M

www.smm.fr.tc

Notons que le discours d’ouverture par Mr Augustin RAHAROLAHY (ancien membre du Conseil des Relations Interculturelles, membre de la Chambre de Commerce de Québec, Consul de Madagascar à Québec) aura lieu à 13h:

LA PLEINE PARTICIPATION À LA SOCIÉTÉ QUÉBÉCOISE DE LA COMMUNAUTÉ MALAGASY AU QUÉBEC (ENJEUX ET DÉFIS)

-=§=-

Koranan’ny mpianakavy sy fampianarana DIHY GASY
nokarakarain’ny SMM ( Sekoly Malagasy eto Montreal )
niarahana tamin’i Ramaka sy Landy, ao amin’ny tarika LandyVolaFotsy

Tsidiho ity raha te hahita ny sary tamin’izany ianao :

http://slandyvolafotsy.skyblog.com/

L’ÉCOLE MALGACHE DE MONTRÉAL 1995-2006
Pour FÊTER SES DIX ANS

et souligner LA NUIT DE LA SAINT-SYLVESTRE
Soirée dansante le 31 décembre 2006
Animée par Donné Roberts
et son groupe et des invités surprises
Au CRCS ST-ZOTIQUE
75, square Sir-Georges-Etienne-Cartier,
Montréal, dès 20h
D’autres détails suivront
-=§=-
Ny
SEKOLY MALAGASY eto MONTREAL 1995-2006
Ho fankalazana ny faha-folo taona niorenany
sy hamaranana ny taona 2006
Dia hanao alim-pandihizana

hafanain’i Donné Roberts’group
sy mpihira maro samy hafa

Manomboka amin’ny valo ora alina
ao amin’ny CRCS ST-ZOTIQUE
75, square Sir-Georges-Etienne-Cartier,
Montréal
Ny 31 desambra 2006
Manasa antsika rehetra
Ny Birao

http://www.smm.fr.tc
sekfolk@hotmail.com
514-831-0485 na 514-522-2877

-=$=-

Pub_Odiam

-=§=-

ACTIVITÉS 2006 :

. 18mars, cabane à sucre, Beau Site, Mont St-Grégoire

. mai, Festival montréalais de la SPEQ, Noces Du Monde

. 5,6,7juillet, camp culturel à Philipsburg

. 18,20août, Fête des enfants au Parc de Maisonneuve

. septembre, Fête de la rentrée :spectacle d’un conte malgache avec chants et danses (comédie musicale)

. 6,7octobre, Journées interculturelles sous le patronage du MRCI

. 16décembre, Noêl de l’école

. 31décembre,Réveillon et célébration du 10e anniversaire de l’école, 1995-2005

Zavatra kasaina ho atao mandritra ity taona 2006 ity :

. 18marsa, cabane à sucre, Beau Site, Mont St-Grégoire

. may, Festival montréalais de la SPEQ, Noces du Monde

. 5,6,7jolay, lasy famaranana taom-pianarana, Philipsburg

. 18,20aogositra, Fetin’ny ankizy ao amin’ny Parc de Maisonneuve

. septambra, Fetin’ny fidirana, fampisehoana angano malagasy andapi-hazo miaraka amin’ny dihy sy ny hira

. 6,7oktobra, Journées interculturelles (MRCI)

. 16desambra, Krismasin’ny sekoly

. 31desambra, Alim-pandihizana famaranana ny taona 2006 sy fankalazana ny faha 10 taonan’ny Sekoly (1995-2005)

Ny andro fianarana isaky ny faran’ny volana, ny andro hanaovana baolina (soccer, basket, ets..), sy ny fianarana dihy dia alefa miandalana.

Misaotra tompoko

Ny birao

-=§=-

Miarahaba antsika rehetra,

Ny fianarana amin’ity volana febroary ity araka ny mahazatra

dia sabotsy faran’ny volana izany hoe ny Asabotsy 25 febroary 2006

manomboka amin’ny 2 ora ka hatramin’ny 4 ora

ao amin’ny sous-sol Église St-Jean-de-Matha, 6841 d’Aragaon (métro Monk).

Misaotra tompoko,

Ny birao

-=§=-

Miarahaba antsika rehetra,

Ny fianarana volana janoary amin’ny izao fanombohan’ny taona 2006 izao dia araka ny mahazatra dia sabotsy faran’ny volana izany hoe ny

Asabotsy 28 janoary 2006 manomboka amin’ny 2 ora ka hatramin’ny 4 ora

ao amin’ny sous-sol Église St-Jean-de-Matha, 6841 d’Aragaon (métro Monk).

Misaotra tompoko,

Ny birao

-=§=-

Arahaba tratry ny taona vaovao 2006.

Tonga indray ity ny taona vaovao. Faly miarahaba antsika rehetra mpiray tanindrazana aty Kanada ny Sekoly Malagasy eto Montréal. Ho soa, ho tsara anie ny taona na ho antsika eto an-toerana na ny any Madagasikara. Homen’Andriamanitra ny fahasalamana daholo, ombàm-piadanana, fahombiazana ary harahim-pifaliana lalandava anie ny taona manontolo.

Ny mpiandraikitra:

Patrice Rajarison,

Richard Andrianavalona

Mireille Rajaonarisoa,

Lala Rajoelisolo,

Sylvia Ranoroharimanana,

Sr Méline Razafindravao,

Sylvie Andriantsara-Razanajato

-=§=-

Miarahaba antsika rehetra,

Ny fianarana volana novambra dia araka ny mahazatra dia sabotsy faran’ny volana izany hoe sabotsy 26 novambra 2005 manomboka amin’ny 2 ora ao amin’ny sous-sol Église St-Jean-de-Matha, 6841 d’Aragaon (métro Monk).

Aorian’ny sekoly amin’ny 4 ora dia hisy fianarana fihetsika (Tableau vivant) izay ho atao amin’ny 24 desambra.

Misaotra tompoko,

Ny birao

-=§=-

Miarahaba antsika rehetra ,

Manoratra ity taratasy e-mail ity izahay ato amin’ny birao Milaza aminareo fa fisaorana sy fankasitrahana no atolotray anareo rehetra izay tonga tamin’ny concert ny (TRIO Justin ) izay nampiseho tamintsika mianakavyindrindra ho an’ny ankizy sy ny tanora ny kolontsaina tsara ny maha malagasy antsika, ary ianareo koa moa tsy nisalasala namaly ny antsonay rehetra.

Ka enga anie hitohy izao fifanampiantsika izao. Hatreo indray ary fa dia mametraka ny mandrampiresaka indray hoy izahay ato amin’ny biraon’ny sekoly malagasy.

Misaotra indrindra Tompoko !

Ny mpikarakara rehetra ao amin’ny Sekoly Malagasy eto Montréal

www.smm.fr.tc

NB: ny sary tamin’ny iny fotoana iny (29 oktobra) dia haseho tsy ho ela

-=§=-

Miarahaba antsika rehetra,

Efa azo tsy dihina amin’izay ny skyblog misy ny sary tamin’ny Journées interculturelles izay nokarakarin’ny S.M.M tamin’ny 7, 8, 9 oktobra 2005

http://ssekolymm.skyblog.com/

Koa samia mijery ary misaotra antsika rehetra,

Ny birao

Bonjour à toutes et à tous,

Les photos des Journées interculturelles organisées par le Sekoly Malagasy eto Montréal les 7, 8, 9 octobre 2005 dans le cadre de la Semaine québécoise des rencontres interculturelles sont maintenant en ligne.

http://ssekolymm.skyblog.com/

Bon visionnement!

Le bureau

-=§=-

Miarahaba antsika rehetra,

Ho anareo izay mikasa hijery ny fampisehoan’i Trio Justin Vali ny asabotsy 29 oktobra dia mbola misy billets azo vidiana hatramin’ny zoma. any amin’i:

1. Patrice, 450-665-8641

2. Richard, 514-483-5072

3. Sylvie, 514-761-6219

Ampatsahivana eto fa amin’ny 9h30 maraina no misokatra ny varavarana ary amin’ny 10 ora maraina tsy diso no manomboka ny fampisehoana.

Ny toerana: 305 avenue Mont-Royal Est kihon-dalana Henri-Julien, métro Mont-Royal.

Ny birao S.M.M

Bonjour à toutes et à tous,

Pour celles et ceux qui ont l’intention d’assister au spectacle du Trio Justin Vali, des billets sont encore disponibles jusqu’à demain vendredi avec:

1. Patrice, 450-665-8641

2. Richard, 514-483-5072

3. Sylvie, 514-761-6219

Notez bien: 9h30, ouverture des portes

10h , début du spectacle

Lieu: 305 avenue Mont-Royal Esr coin Henri-Julien, métro Mont-Royal

Le bureau du S.M.M

-=§=-

Miarahaba antsika rehetra,

Ny fianarana toy ny mahazatra dia ny sabotsy faran’ny volana; amin’ity volana ity dia ny sabotsy 29 oktobra ao amin’ny sous-sol Église Saint-Jean de Matha manomboka amin’ny 2 ora. Afaka mitondra ny akanjo fanaovana Halloween ny ankizy amin’io andro io.

Mbola afaka misoratra anarana ho an’ireo izay te-hampiditra ny zanany amin’ity taom-pianarana ity.

5$ isa-taona raha ankizy 1 isam-pianakaviana

10$ isa-taona ankizy 2 isam-pianakaviana

15$ isa-taona ankizy 3 isam-pianakaviana

Ny birao

Bonjour à toutes et à tous,

Le cours du dernier samedi du mois aura lieu le samedi 29 octobre à 14h au sosu-sol de l’Église Saint-Jean de Matha.

Enfants et jeunes peuvent venir déguisés pour l’Halloween.

Les inscriptions restent ouvertes:

5$ pour l’année, 1 jeune/ famille

10$ pour l’année, 2 jeunes/ famille

15$ pour l’année, 3 jeunes/ famille

le bureau du S.M.M

-=§=-

Le Trio Justin Vali

en collaboration avec l’École Malgache de Montréal

Vous êtes les bienvenus à ce concert

le samedi 29 octobre 2005, à 10h du matin

à la Maison des Jeunesses Musicales du Canada

située au 305, avenue du Mont-royal Est à Montréal

suivi d’un goûter malagasy

Prix d’entrée: 5$ (toute place occupée doit être payée)

Notez bien: enfants et jeunes peuvent venir déguisés pour l’ Halloween

Les billets sont en vente avec:

– Richard, 514-483-5072

– Patrice, 450-665-8641

– Sylvie, 514-761-6219

Les places sont limitées

Rappelons que le Trio Justin Vali est en tournée au Canada depuis septembre et a déjà donné son spectacle à Edmundston, Frédéricton, Moncton, Matane, Baie Comeau, Gaspésie, etc.

Justin Vali, valihas, chant
Héry Andrianasolo, kabossy (mandoline malgache)
Tao Ravao, guitare acoustique

Description: Une touche d’exotisme, un soupçon de mystère et un merveilleux goût du voyage : voilà ce que nous propose Justin Vali, le maître incontesté de la valiha. Sous forme de conte musical, ce spectacle part véritablement à la découverte du peuple malgache et de sa musique étonnante qui combine les rythmes d’Afrique et les harmonies d’Asie, avec quelques accents d’Orient. Instrument emblématique de Madagascar, la valiha prend ici la vedette et raconte l’histoire d’une musique qui accompagne les êtres, toute leur vie durant. Hommage à la vie donc, mais aussi à toute la richesse de la musique, des chants, des danses et des légendes malgaches

-=§=-

Miarahaba antsika rehetra,
Faly manasa antsika hanatrika ny fampisehoana manokana izay natokan’i Justin
Vali sy ny tariny miaraka amin’ny Sekoly Malagasy eto Montréal ny sabotsy 29
oktobra. Ny toerana dia voafetra, tsy maintsy vidiana mialoha ny billet ka ireto
ny andininy.
Toerana: Maison des jeunesses Musicales du Canada (JMC)

305, avenue Mont-Royal Est
Vidim-pidirana: 5$ (ankizy 5 taona miakatra) marihina fa toerana 1 dia billet 1 na ankizy latsaty ny dimy taona aza
Ora: manomboka amin’ny 2 ora tsy diso hatramin’ny 4 ora

Hisy fanalana hetaheta aorian’ny fampisehoana.
*I Justin Vali moa dia mpanan-talenta malagasy malaza mitety izao tontolo izao
miaraka amin’ny zava-maneno nentin-drazana dia ny ‘valiha’ ary tena ankafizin’ny
vahiny tokoa. 3 mirahalahy izy no eto Québec ary efa nanao fampisehoana tany
ivelan’i Montréal: Edmundston, Frédéricton, Moncton, Matane, Baie Comeau, Gaspésie, ets.

Justin Vali, valihas, chant
Héry Andrianasolo, kabossy (mandoline malgache)
Tao Ravao, guitare acoustique

Koa dia manantena ny fahatongavantsika maro!
Ireto ny olona azo ividianana ny billet na koa mila fanazavana fanampiny.

Patrice,450-665-8641
Richard,514-483-5072

Sylvie, 514-831-0485

Ny Birao

-=§=-

Miarahaba antsika rehetra,

Vita soa aman-tsara tao anatin’ny fahombiazana tanteraka io fihetsiketsehana naharitra 3 andro izay nokarakarain’ny Sekoly Malagasy eto Montréal natao tao amin’ny Centre Georges-Vanier, Montréal.

Nanomboka tamin’ny taona 2003 io programan’ny Governemanta eto Québec io ka ny Ministera momba ny Immigration no tompon’andraikitra izany fandaharana izany. Taona faharoa iarahan’ny Sekoly Malagasy miara-miasa amin’io Ministera io izao fandraisana anjara anehoana ny maha-izy antsika Malagasy eto Québec sy ny maha-sarobidy ny fihaviantsika. Izany moa dia naseho tamin’ny alalan’ireo fomba amam-panao maro samihafa, fianarana ny teny, fomba fitafy, dihy, ets.

Tsy no tanteraka na tomombana izay rehetra nokasaina natao raha tsy ny fandraisantsika anjara sy ny fifanampiantsika tamin’ireo asa goavana niandry, nentina nanatanterahana io fihetsiketsehana io.

Koa dia manolotra ny fisaorana an’ireo manam-pahefana MARO avy eto an-toerana sy ny avy any ivelany (Ottawa, Québec, Toronto) tonga nanokatra ary nanome voninahitra izany fotoana nanetriketrika izany.

Manolotra ihany koa ny fisaorana feno fankatelemana ireo rehetra izay nandray anjara tamin’ny lanonana interculturel, atelier maro samihafa ka nahatomombana ny anjaran’ny tsirairay avy, ny garderie, ireo izay nikarakara ny cocktail, ny sakafo, ny collation, ny fandraisana ny olona toe ambaravarana. Tsy hadino ihany koa ireo naka sary sy video, ny ankizy, ny tanora sy ray aman-dreny izay nahafoy andro sy fotoana nandritra ny telo andro.

Hoy ny Ohabolan-Drazantsika.

Ny mpikarakara rehetra ao amin’ny Sekoly Malagasy eto Montréal

www.smm.fr.tc

NB: ny sary rehetra tamin’ny 7, 8, 9 oktobra dia haseho tsy ho ela.

-=§=-

Chers Compatriotes, chers Amis de Madagascar,

Nous venons de vivre 3 journées et demi intenses d’ateliers interculturels et riches en expériences de toutes sortes. La Semaine québécoise des rencontres interculturelles en était à sa troisième édition au Québec et l’École Malgache en était à sa deuxième édition.

La réalisation était possible grâce au ministère de l’Immigration et des Communautés Culturelles. Le lancement du vendredi soir a été un franc succès grâce également à la présence de tous les invités d’honneur: ministère, représentants de l’Ambassade de Madagascar, représentants de la ville de Montréal, organismes, etc.

Tous et chacun ont mis la main à la pâte. Merci à ceux et celles qui ont collaboré de près ou de loin; merci à ceux et à celles qui ont travaillé aux ateliers dans la grande salle; merci à ceux et à celles qui étaient dans les coulisses, à la garderie, à l’accueil, aux photos, au vidéo; merci à ceux et à celles qui ont préparé le cocktail, la collation, la nourriture; merci aux parents; merci à tous les enfants et les jeunes du Sekoly Malagasy. Nous réitérons ici nos sincères remerciements pour tous ceux et celles qui ont fait de ces trois jours une RÉUSSITE.

À la prochaine!

L’équipe de l’École Malgache de Montréal ou S.M.M

www.smm.fr.tc

NB: les photos du 7, 8, 9 octobre seront diffusées d’ici peu.

-=§=-

Miarahaba antsika rehetra

Amin’izao fiadohan’ny taom-pianarana 2005-2006 izao dia hanao fivoriam-be sy fetin’ny fidirana ny S.M.M (Fête de la rentrée) amin’ny sabotsy 24 septambra izao (sabotsy faran’ny volana toy ny mahazatra). Izany dia hanasana antsika ray aman-dreny rehetra izay efa mandefa na mikasa ny handefa ireo zanany. Izany dia ho hatao amin’ny toerana fianarana ihany (église St-Jean-de-Matha, làlana Allard, métro Monk) Hanomboka amin’ny 2 ora ny fotoana. Ny fandaharam-potoana dia mbola ho alefa miandalana eto ihany.

Misaotra antsika

Ny biraon’ny Sekoly Malgasy eto Montreal

-=§=-

Fêtes Créoles Internationales De Montréal

www.fetescreoles.com

La S.M.M (Sekoly Malagasy Eto Montréal)

y sera

ce jeudi 07 juillet 2005

au Parc Jean Drapeau

Dès 15h

Participation aux spectacles

Soyons-y!

-=§=-

Fetin’ny Ankizy Eto Montréal

Fanasana

Ny S.M.M dia manasa antsika ankizy malagasy rehetra 5 taona no miakatra ho avy hanomana ny Fête des Enfants amin’ny sokajy dihy malagasy izany. Koa ny famerenana dia ho hatao ao amin’ny:

6841 d’Aragon église Saint-Jean-de-Matha (métro Monk, lalana maitso)

Ny zoma 19 aogositra 2005

Manomboka amin’ny 3 ora ary mifarana amin’ny 5 ora

Ny andinindininy rehetra momban’ny fampisehoana dia omena antsika ny andro zoma io koa dia tongava rankizy hiara hilalao amin’ny alalan’ny dihy. Dia misaotra mialoha koa ny Ray aman-dreny rehetra izay afaka mitondra ny ankizy.

Hoy ny mpikarakara

Ny Sekoly Malagasy

-=§=-

Fête des Enfants de Montréal, Année IV pour la S.M.M

L’École Malgache de Montréal sera de nouveau au Parc de Maisonneuve, le samedi 20 et le dimanche 21 août 2005 de 11h a 18h, Les enfants et les jeunes malgaches y partageront leur patrimoine culturel avec les diverses communautés culturelles de Montréal. A notre kiosque, les animateurs initieront le public :

1. aux jeux traditionnels malgaches (katro, fanorona, etc)

2. au toraka kapoaka

3. au bricolage : fabrication de lémurien

Convaincue que le folklore est un moyen qui permet d’illustrer le patrimoine des diverses communautés, la Fête des enfants de Montréal invite les enfants et les jeunes de la S.M.M aux prestations de danse traditionnelle.

Le samedi 20 août à 15h sur la scène des Petits Clins d’œil

Et

Sur le site Entrez dans la danse

La S.M.M initiera le public à quelques pas de danse malgache

Si vous pouvez être animateur bénévole, veuillez appeler :

Richard au 514-483-5072 ou Patrice au 450-665-8641

NB.

Les laissez-passer autobus de la STM sont disponibles dans les Pharmacies Jean Coutu avec entrée gratuite aux Biodôme, Jardin Botanique, Insectarium. Pour le Parc de Maisonneuve, prenez le métro ligne verte, descendez à Viau, montez dans la navette desservant la station du parc et vous serez sur le site de la Fête des Enfants de Montréal.

C’est un rendez-vous!

Soyons nombreux à soutenir nos enfants et nos jeunes!

De l’équipe de la S.M.

www.smm.fr.tc

www.ville.montreal.qc.ca/fetedesenfants

-=§=-

Fetin’ny Ankizy Eto Montréal karakarain’ny Ville de Montréal

Taona faha-IV

andraisan’ny S.M.M anjara

Ry Havana,

Amin’ ity taona ity dia ny asabotsy 20 aogositra sy alahady 21 aogositra 2005 ho avy izao ao @ Parc de Maisonneuve ny fankalazana izany.

Mizara roa ny fandraisan’ireo zanantsika sy tanora anjara ao amin’ny S.M.M:

1. Mandritry ireo andro roa ireo 11ora ka hatramin’ny 6 ora

Stand izay hanaovana kilalao malagasy:

– Fampianarana ireo kilalao nentindrazana malagasy (katro, fanorona, sns)

– Toraka kapoaka

– Fanamboarana ragidro (bricolage na fabrication de lémurien)

2. Dihy malagasy

Sabotsy 20 aogositra, ny ankizy sy ny tanora eo amin’ny Scène des Petits Clins d’Oeil dia avy eo fampianarana dihy ao amin’ny Scène Entrez dans la danse

ANTSO AVO:

Ireo izay afaka hanao animation eo amin’ny kilalao dia hiangaviana hiantso any:

Richard, 514-483-5072 na Patrice, 450-665-8641

1. Marihana fa misy fazahoan-dalana maimaimpoana ho any ireo mampiasa metro sy autobus izay azo hangatahina any Pharmacie Jean-Coutu

2. Io fazahoan-dalana io dia hafahana mitsidika ny Jardin Botanique, Insectarium, Biôdome mandritry an’ireo andro roa ireo

3. Lalana mikatona mandritry ireo andro roa ireo: Sherbrooke anelanelan’ny Viau sy Pie IX, ary anelanelan’ny Sherbrooke sy Rosemont

4. Ho an’ireo mandray metro dia ligne verte no raisina, midina eo amin’ny metro Viau, mandray ny navette eo @ kihondalana Sherbrooke/Viau mitatitra ny olona mankany @ Parc misy ny fety

Ka dia tongava maro hanotrona an’ireo zanantsika!

Hoy ny mpikarakara.

S.M.M.

www.smm.fr.tc

www.ville.montreal.qc.ca/fetedesenfants

-=§=-

Fête des Enfants de Montréal, Année IV pour la S.M.M

L’École Malgache de Montréal sera de nouveau au Parc de Maisonneuve, le samedi 20 et le dimanche 21 août 2005 de 11h a 18h, Les enfants et les jeunes malgaches y partageront leur patrimoine culturel avec les diverses communautés culturelles de Montréal.

A notre kiosque, les animateurs initieront le public :

1. aux jeux traditionnels malgaches (katro, fanorona, etc)

2. au toraka kapoaka

3. au bricolage : fabrication de lémurien

Convaincue que le folklore est un moyen qui permet d’illustrer le patrimoine des diverses communautés, la Fête des enfants de Montréal invite les enfants et les jeunes de la S.M.M aux prestations de danse traditionnelle.

Le samedi 20 août à 15h sur la scène des Petits Clins d’œil

Et

Sur le site Entrez dans la danse

La S.M.M initiera le public à quelques pas de danse malgache

Si vous pouvez être animateur bénévole, veuillez appeler :

Richard au 514-483-5072 ou Patrice au 450-665-8641

NB.

Les laissez-passer autobus de la STM sont disponibles dans les Pharmacies Jean Coutu avec entrée gratuite aux Biodôme, Jardin Botanique, Insectarium. Pour le Parc de Maisonneuve, prenez le métro ligne verte, descendez à Viau, montez dans la navette desservant la station du parc et vous serez sur le site de la Fête des Enfants de Montréal.

C’est un rendez-vous!

Soyons nombreux à soutenir nos enfants et nos jeunes!

De l’équipe de la S.M.M

www.smm.fr.tc

www.ville.montreal.qc.ca/fetedesenfants

-=§=-

Fêtes Créoles Internationales De Montréal

www.fetescreoles.com

La S.M.M (Sekoly Malagasy Eto Montréal)

y sera

ce jeudi 07 juillet 2005

au Parc Jean Drapeau

Dès 15h

Participation aux spectacles

Soyons-y!

-=§=-

Dia miarahaba antsika rehetra tsy an-kanavaka,

Dia nankalazaintsika tao anatin’ny hafaliana sy filaminana ny faha-45 taona ny fahaleovantenam-pirenena izay natao teto Montréal ny asabotsy faha-25 jiona.

Amin’ny alalan’ny serasera dia manolotra ny fisaorana feno fankatelemana izahay mpikarakara ao amin’ny Sekoly tamin’ny fahatongavanareo rehetra ny avy eto Montréal, indrindra ireo avy any ivelany tonga niara-nikorana hatramin’ny maraina, nizara ny masaka, nifaly sy nitotorebika nanotrona iny fankalazana ny fetim-pirenentsika iny.

Fisaorana no atolotra ny Ambasadaoro mivady sy ireo olona manan-kaja maro tonga teto Montréal nanotrona ny Fetim-pirenena Malagasy. Tsy hadino ireo rehetra nitoto nahafotsy, nahandro nahamasakaka nahafahantsika nanatanteraka iny andro lehibe amin’ny tantaran’ny firenentsiks iny. Tao ianareo mpanentana, ireo mpanan-talenta isan-karazany: mpihira manga feo, ireo mpandihy vahiny indrindra ireto tanora lahy sy vavy ao amin’ny Sekoly, ireo mpikarakara rehetra nahafoy fotoana maro tamin’ny fandrindrana hahatomombana iny takariva iny. Misaotra koa ireo mpanome loka maro samihafa nandravaka iny fotoana iny koa dia mazahoa fahafinaretana daholo amin’izao fialan-tsasatra izao.

Eto am-pamaranana dia mirary soa sy fahasalamana ho antsika tsirairay ary mbola mamerina ny fisaorana tamin’ny fahatongavanareo.

Ny mpikarakara

Un mot de remerciements à vous tous, amis de Madagascar, venus honorer de votre présence la soirée du samedi 25 juin 2005 au cours de laquelle nous avons célébré, fêté le 45e anniversaire de l’indépendance de Madagascar.

Merci à nos généreux donateurs par qui nous avons pu tirer plusieurs prix de présence. Merci à tous et à chacun, à ceux et celles qui ont contribué de loin ou de près à la réussite de notre soirée : animateurs, musiciens, chanteurs, danseurs invités, jeunes gens de la SMM. Merci à tous ceux qui étaient aux préparatifs du spectacle, de la soirée dansante, à l’accueil, au bar, au bon déroulement du souper. Votre temps est précieux, nous l’apprécions.

Encore une fois MERCI et Bonnes vacances à toutes et à tous!

L’équipe de la SMM

-=§=-

Miarahaba antsika rehetra,

Amin’ ny sabotsy faha 28 mey 2005 izao ny fianaran’ ny ankizy sy ny tanora ao amin’ ny Sekoly Malagasy amin’ ity volana mey ity arakan’ny kalandrien’ny Sekoly.

Manomboka amin’ ny 2 ora tolakandro toy ny mahazatra ary mifarana amin’ ny 4 ora.

Ny toerana dia ao amin’ ny sous-sol église Saint-Jean-de-Matha (métro Monk) ihany

Misaotra antsika rehetra

Ny mpikarakara

TENY FISAORANA AVY AMIN’NY S.M.M

Nahafinaritra tokoa ny fiarahantsika mianakavy tany amin’ny Cabane à Sucre, koa amin’ny fo feno fankasitrahana no isaoranay mpikarakara anareo rehetra, na kely, na tanora, na lehibe tonga niaraka nikorana. Koa samia tahin’Andriamanitra isika rehetra.

Hoy izahay mpikarakara ato amin’ny Sekoly.

Un mot de remerciements également pour nos amis et amies de Madagascar venus se joindre à notre Cabane à Sucre à Ste-Anne-Des-Plaines de dimanche dernier.

Merci d’avoir répondu si chaleureusement à notre invitation!

L’équipe de l’École Malgache de Montréal, Patrice, Richard, Lala, Sylvia, Sr Méline,Mireille, Sylvie

-=§=-

Miarahaba antsika rehetra tsy an-kanavaka ny Sekoly Malagasy eto Montréal (SMM)

Manolotra ny fisaorana lehibe antsika rehetra, fa vita soa aman-tsara tokoa ny fampisehoana ny Journée Portes Ouvertes mikasika an’ i Madagasikara izay niarahana tamin’ ny Ministère des relations avec les citoyens et l’ immigration (MRCI) Niainga tamin’ ny foto-kevitra fampahafantarana an’ i Madagasikara sy ny fifandraisana amin’ ny Québécois eto an-toerana. Nahafinaritra tokoa, satria nahaliana ny fihenoina anireo zanantsika, tanorantsika nilaza ny maha Malagasy azy, nahaliana ihany koa ny fihenoina an’ ireo olona izay namelabelatra momban’ ny La richesse de la diversité ethnoculturelle au Québec. Nahaliana ihany koa ny fijerevana anireo tanorantsika sy ny tanora Québécois, izay niaranandihy.

Finaritra ny rehetra ary afa-pò tokoa ireo vahiny izay tonga. Hoy ny ohabolan-drazantsika manao hoe : Diavolan-ko lava, ny kilalao mbola ho ela. Ny masoandro maty tokoa no nampalahelo.

Misaotra Tompoko!

Hoy ny mpikarakara rehetra.

-=§=-

Toy izao ny andinindininy momba ny PORTES OUVERTES

amin’ny alahady 10 oktobra 2004.

Toerana: sous-sol église St-Jean-de-Matha 6831 rue d’Aragon/Allard

( métro Monk, lalana maitso, direction Angrignon )

Ora: manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 4 ora hariva

Fandaharam-potoana :

9h à 10h : Jeux traditionnels malgaches

10h à 11h : Table ronde , sur les différentes cultures et leur manière de les vivre, animée par les jeunes de la S.M.M.

11h à 11h 30 : Classes ouvertes sur l’apprentissage de la langue malgache

11h 30 à 16h : Exposition de photos sur l’histoire de Québec et de Madagascar

12h à 12h30 : Jeux traditionnels malgaches et chants

12h à 16h : Visite de stands (artisanat malgache, etc.)

13h à 14h : Dégustation de mets de la cuisine malgache

14h à 15h : Conférence sur la richesse de la diversité ethnoculturelle au Québec avec :

  1. M. Guy Landry (SPEQ )
  2. Le Père Marc Allaire (église Saint-Jean-de-Matha)
  3. Mme Esther Bryan (Courtepointe de l’appartenance)
  4. Mme Érica Maraillet (ÉLODIL)

15h à 16h : Danses traditionnelles malgaches et québécoises

Marihina fa fampahafantarana an’i Madagasikara sy ny fifandraisana amin’ny Québécois eto an-toerana sy ny firenena hafa (Semaine québécoise des rencontres interculturelles) no tanjona amin’ny io hetsika io. Ho maro ireo vahiny ho tonga hijery sy te-hifanatri-tava amintsika Malagasy, koa dia manantena ny fandraisantsika anjara.

Raha manana entana vita malagasy ka tianao haseho dia afaka manao izany amin’io andro io, na manana orinasa ka te-hampahafantatra izay ataonao dia miantsoa haingana an’i :

Sr Méline, 514- 844-8334

Sylvie, 514- 571-5835

mba hahafahana mandamina mialoha mba hahatonga lafatra ny hetsika.

Hoy,

Ny mpikarakara rehetra

-= =-

Miarahaba antsika rehetra amim-pifaliana,

Amin’ny sabotsy faha-18 septambra izao ny fianaran’ny ankizy amin’ity volana ity.

Manomboka amin’ny 2 ora tolakandro hatramin’ny 4 ora.

Ireo izay vao hisoratra anarana dia iangaviana ho tonga mialoha amin’ny 1.30 pm fa efa miandry ny mpikarakara.

aorian’ny fianarana dia hisy fivorian’ny ray amn-dreny hilazana ireo vaovao ao anatin’ny S.M.M Mifarana amin’ny 5 ora hariva ny fandaharam-potoana.

Ny toerana dia ao amin’ny sous-sol église St-Jean-de-Matha (métro Monk) toy ny mahazatra.

Dia manantena ny fahatongavantsika maro. Hisy fialana hetaheta sy tsindriambavafo atolotra antsika.

Misaotra tompoko,

Ny mpikarakara

Version Malagasy Version Française

Fitsangatsanganan’ny S.M.M

Philipsburg

28 aogositra 2004

Toerana:

Any amin’ny tananan’ ny Frères de l’Instruction Chrétienne mifanolobodirindrina amin’ ny douanes Canada/U.S.A.

Mandray ny Pont Champlain, autoroute 10, sortie 22, mandray ny lalana 35 sud izay mivadika ho 133 sud avy eo.

Zava-misy any an-toerana:

  1. dobo-drano azo ilomanosana (piscine): mila maillot de bain sy serviette
  2. tir à l’arc: efa misy ny fitaovana
  3. hébertisme na fandehanana any anaty ala: mila kiraro momba izany (tennis na souliers de randonnée), pataloha sy akanjo ambony lava-tanana, satroka)
  4. gymnastique: mila survêtement, t-shirt
  5. basket, soccer: efa misy baolina azo ampiasaina any an-toerana

Tsy misy andoavam-bola ireo kilalao ireo. Ny tompon’andraikitra amin’ny fanentanana dia efa miandry antsika any an-toerana.

Ny zavatra ho entina:

Samia mitondra ny sakafony. misy voankazo sy odiambavafo atolotry ny Sekoly. Azo itondrana BBQ.

Fitanterana:

Tsy miantoka fitaterana fa izay afaka manao co-voiturage dia iangaviana mba hisoratra anarana

Fiaingana:

Ho an’ireo izay hiaraka dia eo amin’ny parking Église St-Jean-de-Matha no miainga @ 9 ora sy sasany tsy diso.

Marihina:

Na avy aza ny orana dia tsy manakana antsika tsy ho tonga any, satria misy toerana azo ilalaovana ao anatiny

Ento ny gitara sy ny tononkira e!

Raha mila fanazavana fanampiny dia azo antsoina

– Sr Méline, 514-844-8334

– Sylvie, 514-831-0485

Misaotra antsika rehetra,

Hoy ny mpikarakara ny S.M.M

Ry Ray Aman-dreny hajaina,

Miarahaba antsika rehetra ary faly manolotra ny fisaorana sy fankatelemana ho an’ireo tapaka sy namana ary ray aman-dreny tamin’ny fanotronana ny Sekoly tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny Fête des Enfants tao aminy Parc de Maisonneuve eto Montreal.

Taona faha-III nandraisan’ny SMM izao fety izao dia tsapa fa manana ny anjara toerany tokoa ny ankizy sy ny tanora Malagasy amin’ny fampahalalana ny maha Malagasy azy amin’ny alalan’ireo kilalao nentindrazana, dihy, fitafy sy ny tao-zavatra.

Dia mamerina ny fisaorana sy fankaherezana ho an’ ireo ray aman-dreny izay nanokana fotoana tonga nanohana ny Sekoly tamin’ireo andro roa ireo, asabotsy 14 sy alahady 15 aogositra.

Hoy ny mpikarakara.

S.M.MChers compatriotes et amis de Madagascar,

Nous remercions tous ceux et celles qui sont venus supporter l’École Malgache de Montréal durant les 2 jours de La Fête des enfants de Montréal 2004.

C’est un évènement organisé à chaque année par la Ville de Montréal et la S.M.M en était à sa troisième participation. Nous vous donnons rendez-vous à l’année prochaine!

Les photos des dernières différentes activités et la mise à jour seront bientôt disponibles sur ce site.

Au nom de toute l’équipe de la S.M.M,

Encore une fois, Merci!

-=§=-

Fetin’ny Ankizy Eto Montréal karakarain’ny Ville de Montréal

Taona faha-III

andraisan’ny S.M.M anjara

Ry Havana,

Amin’ ity taona ity dia ny asabotsy 14 aogositra sy alahady 15 aogositra 2004 ho avy izao ao @ Parc de Maisonneuve ny fankalazana izany.

Mizara roa ny fandraisan’ireo zanantsika sy tanora ao amin’ny S.M.M:

1. Mandritry ireo andro roa ireo 11ora ka hatramin’ny 6ora

Stand laharana 306

Hanaovana exposition (tao-zavatra malagasy)

Fampianarana ireo kilalao nentindrazana malagasy (katro, fanorona,sns)

2. Dihy malagasy

sabotsy 14 aogositra @ 3 ora, ny tanora

alahady 15 aogositra @ 1 ora atoandro, ny ankizy sy ny tanora

Scène des Petits Clins dOeil

sabotsy 14 aogositra @ 4 ora

fampianarana dihy ho an’ireo vahiny (afindrafindrao, salegy, sns)

Scène Entrez dans la danse

ANTSO AVO:

Ireo izay afaka hanao animation (katro, fanorona, tsobato, solitaire) dia hiangaviana hiantso any Richard, 514-483-5072

1. Marihana fa misy fazahoan-dalana maimaimpoana ho any ireo mampiasa metro sy autobus izay azo hangatahina any Pharmacie Jean-Coutu

2. Io fazahoan-dalana io dia hafahana mitsidika ny Jardin Botanique, Insectarium, Biôdome mandritry an’ireo andro roa ireo

3. Lalana mikatona mandritry ireo andro roa ireo: Sherbrooke anelanelan’ny Viau sy Pie IX, ary anelanelan’ny Sherbrooke sy Rosemont

4. Ho an’ireo mandray metro dia ligne verte no raisina, midina eo amin’ny metro Viau, mandray ny navette eo @ kihondalana Sherbrooke/Viau mitatitra ny olona mankany @ Parc misy ny fety

Ka dia tongava maro hanotrona an’ireo zanantsika!

Hoy ny mpikarakara.

S.M.M.Fête Des Enfants de Montréal, Année III pour la S.M.M

Au Parc de Maisonneuve, le samedi 14 août et le dimanche 15 août 2004 de 11h à 18h, l’Ecole Malgache de Montreal occupera le kiosque no 306.

Les enfants et les jeunes Malgaches y partageront leur patrimoine culturel avec les diverses communautés culturelles de Montréal.

Notre kiosque sera décoré des savoir-faire artisanaux malgaches.

Nous initierons les enfants aux jeux traditionnels malgaches: katro, fanorona, etc.

Convaincue que le folklore est un instrument qui permet d’illustrer le patrimoine des diverses communautés, La Fete des Enfants de Montréal invite les enfants et les jeunes de la S.M.M aux prestations de danse traditionnelle.

Samedi 14 août à 15h

et

Dimanche à 13h

sur la Scène des Petits Clins d’Oeil

Samedi 14 août à 16h

sur le site « Entrez dans la danse« 

La S.M.M enseignera au public quelques pas de danse malgaches: afindrafindrao, salegy, etc.

Si vous pouvez être animateur bénévole, veuillez appeler Richard au 514-483-5072.

NB.

Les laissez-passer autobus de la STM sont disponibles dans les Pharmacies Jean Coutu avec entrée gratuite aux Biodome, Jardin Botanique, Insectarium

Pour le Parc de Maisonneuve, prenez le métro ligne verte, descendez à Viau, montez dans le navette qui dessert la station du parc et vous serez À La Fête Des Enfants De Montréal.

C’est un rendez-vous!

Soyons nombreux à soutenir nos enfants et nos jeunes!

De l’équipe de la S.M.M

Fêtes Créoles Internationales De Montréal

www.fetescreoles.com

La S.M.M (Sekoly Malagasy Eto Montréal)

sera aux Fêtes Créoles Internationales de Montréal

ce dimanche 1 Août 2004

De 12h30 à 15h30 :

Animation aux jeux pour enfants

À partir de 16h

Participation aux spectacles

www.smm.fr.tc**08/07/04: Fisaorana 26 jiona 2004

Miarahaba antsika rehetra,

Tao anatin’ny hafaliana sy fifankatiavana no nankalazaintsika ny faha-44 taonan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara teto Montréal, Québec.

Fisaorana eram-po eran-tsaina no atolotray anareo tapaka sy namana malagasy sy vahiny rehetra monina eto Montréal sy ny manodidina ary ny avy any ivelany tonga nananafana ny takarivam-pianakaviana hatramin’ny maraina.

Fisaorana ho an’ireo rehetra nanome tànana, nanome fotoana tamin’ny fikarakarana iny lanonana iny: ireo izay teo amin’ny fandraisana, ny fandaminana ny trano, ny fanentanana, ny mpiandraikitran’ny zava-maneno, ny hirahira isan-karazany, ny mpandihy, ny mpikarakara ny sakafo, ny fivarotana isan-karazany, ny fanadiovana ny trano, ets. Ny fanondro tokana tsy mahazo hao ary ny hazo tokana tsy mba ala. Ny firaisan-kinatsika no hery!

Koa amin’ny anaran’ny SMM, ireo mpikarakara rehetra dia mbola mamerina ny fisaorana feno izahay sy maniry fahasalamana sy fialan-tsasatra sambatra ho antsika rehetra. Misaotra tompoko!

* marihina fa miala sasatra ny Sekoly mandritra ny 2 volana. Toy ny mahazatra dia hanomboka ny asabotsy faran’ny volana septambra ny fianarana sy ny fisoratana anarana vaovao amin’ny taona 2004-2005.

Holazaina amintsika eto ihany ny andinindininy momba ny famerenan-kira sy dihy izay asehon’ny zanantsika momba ny fandraisan’ny Sekoly anjara amin’ny Fête des enfants 14-15 août 2004

Ny mpikarakara**08/07/04: Remerciements pour le 26 juin 04

Chers compatriotes et amis de Madagascar,

C’est dans la joie et l’allégresse que nous avons célébré ensemble le 44ième anniversaire de l’indépendance de Madagascar samedi dernier.

Aussi, nous, équipe organisatrice de la SMM, tenons à vous remercier pour votre présence à cette soirée.
Grand merci à tous ceux et celles qui se sont impliqués, qui ont donné de leur temps et qui ont fait de cette fête une réussite! L’ Union fait la force!, confirme le proverbe malgache. Merci infiniment!

Comme à chaque année, après les 2 mois de vacances, la rentrée de l’école aura lieu le dernier samedi du mois de septembre.

Nous vous souhaitons donc de passer de bonnes vacances!

Nous vous donnons rendez-vous à la Fête des Enfants le 14-15 août au Parc de Maisonneuve. Vous aurez tous les détails sur notre site:
www.smm.fr.tc

Les responsables de la SMM** 05/06/2004:

FANKALAZANAN’NY faha- 44 taonan’ny FAHALEOVAN-TENAN’I MADAGASIKARA

FANDAHARAM-POTOANA:

manomboka amin’ny 6 ora hariva:

– fandraisana;

manomboka amin’ny 7 ora hariva:

– fiarahabana fanokafana ny fotoana;

– fisakafoanana;

– fampisehoana isan-karazany: dihy SMM, dihy tarika vahiny, ets.

– hirahira tarika Malagasy.

amin’ny 9 ora sy sasany alina:

– fandihizana

– fizarana mofomamy;

amin’ny 11 ora alina:

– fitsapana loka isan-karazany (prix de présence)

amin’ny 12 ora alina:

– tombola

Mifarana amin’ny 2 ora maraina ny takarivantsika.

FAMPATSIAHIVANA:

Mitondra laoka amin’io andro io ka ireto no isafidianantsika:

1) akoho sy pitipoa NA 2) hena-kisoa sy ravitoto NA 3) vorona ritra.

Ny vary, ny lasary ary ny mofomamy dia anjaran’ny SMM.

Vidim-pidirana:

tsy mandoa vola ny ankizy 0-12 taona

10$: 12 taona no miakatra raha mitondra laoka

20$: 12 taona no miakatra raha TSY mitondra laoka.

Misy zava-pisotro sy tsakitsaky isan-karazany amin’ny vidiny mirary eo an-toerana.

Ny billet dia efa azo vidiana mialoha. Afaka miantso ireto olona manaraka ireto:

PATRICE (450- 665- 8641)

MIREILLE (514- 483- 5072)

Sr MÉLINE (514- 844- 8334)

TOERANA:
ao amin’ny sous-sol église St-Jean-de-Matha, 6831 rue d’Aragon (métro Monk).

TONGAVA MARO, ILAZAO NY TAPAKA SY NAMANA REHETRA.

Ny mpikarakara.** 05/06/2004: CÉLÉBRATION

De La

FÊTE NATIONALE MALGACHE

Programme de la soirée du 26 juin 2004:

18h: ouverture des portes et accueil

19h: hymne national

discours de bienvenue

souper et spectacle

21h30: ouverture de la soirée dansante au son du Afindrafinadrao

gâteau

23h: tirage des prix de présence

00h: tombola

Notre soirée prend fin à 2h du matin

Rappel:

Mets recommandés au choix à apporter:

– akoho sy pitipoa

– henakisoa sy ravitoto

– vorona ritra

Riz à vapeur, rougaille, gâteau sont de la gracieuseté de la S.M.M

Boisson et snack en vente à prix abordable tout au long de la soirée!

Prix d’entrée:

0 à 12 ans, gratuit

10$: 12 ans et plus si on apporte un mets

20$: 12 ans et plus si on n’apporte pas de mets

Les billets sont déjà en vente auprès des personnes suivantes:

PATRICE (450- 665-8641)

MIREILLE (514-483-5072)

SR MÉLINE (514-844-8334)

VENEZ DONC NOMBREUX!

Au Sous-sol de l’église ST-Jean-de-Matha

6831 d’Aragaon/Allard

Métro Monk, ligne verte

De l’équipe organisatrice. www.smm.fr.tc** 05/06/2004: Fotoam-pianarana

Volana Mey

Miarahaba antsika raiamandreny ao amin’ny SMM ary mampatsiahy ny fotoana fianarana ho an’ny ankizy sy ny tanora ny sabotsy faha-22 mey izao(22/05/04) manomboka amin’ny 2 ora hatramin’ny 4 ora tolakandro ao amin’ny toerana mahazatra, sous-sol Église St-Jean-de-Matha (métro Monk).

Mampilaza antsika raimandreny koa fa hisy ny fivoriantsika manomboka amin’ny 4 ora ao amin’ny Sekoly. Koa dia misaotra antsika rehetra.

Maneho etoana ny fisaorana eram-po sy eran-tsaina antsika rehetra na ny ankizy na ny tanora na ny olon-dehibe izay tonga niara-nilalao teny amin’ny Vieux Port de Montréal tamin’ny piknikan’ny Semaine québécoise des famillestamin’ny alahady teo. Nahafinaritra tokoa ny fiarahana ka dia hitohy hatrany anie izany.

Hoy ny mpikarakara.
** 12/05/2004: Ry Havana,

Tonga indray ity ny volana mey fankalazana ny Semaine québécoise des familles. Naharay fanasana tamin’ny Ville de Montréal izay tompon’andraikitra ny Sekoly andray anjara.

Ka amin’ny alahady 16 mey izao ny fotoana. Hisy fitaterana maimaimpoana amin’io alahady io. Miainga eo amin’ny kihon-dalana Berri/Maisonneuve ny autobus amin’ny 11 ora maraina izay hitondra antsika any amin’ny bassinBonsecours du Vieux-Port de Montréal.

Ny andinindininy dia ho halefa amintsika miandalana eto ihany.

Dia misaotra antsika izahay mpikarakara ao amin’ny S.M.M

Tongava maro!

sekfolk@hotmail.com

www.smm.fr.tc

** 05/05/2004:

TAKARIVAN’ NY MPIANAKAVY, 26 JIONA 2004

Sous-sol Église Saint-Jean-De-Matha

6831 d’Aragon/Allard (métro Monk)

Ireto avy ny tokony ho fantatsika momba io takariva ny sabotsy io

6 ora hariva – 9 ora alina:

Fisakafoanana, fanentanana sy fampisehoana isan-karazany

Mitondra làoka ka ireto no isafidianantsika ho entina

1) akoho sy pitipoa

NA

2) henakisoa sy ravitoto

NA

3) vorona ritra

Ny vary, ny lasary ary ny mofomamy dia anjaran’ny Sekoly. Misy zava-pisotro sy tsakitsaky isan-karazany amidy eo an-toerana amin’ny vidiny mirary.

Manomboka amin’ny 9 ora ny alim-pandihizana

Vidim-pidirana:

10$,12 taona no miakatra raha mitondra laoka

20$,12 taona no miakatra raha TSY mitondra laoka

Ireto avy ny olona azo antsoina momba ny billet:

Patrice (450-665-8641)

Mireille (514-483-5110)

Sr Méline (514-844-8334)

Tsiditsidiho ny tranonkalan’ny Sekoly www.smm.fr.tc
** 19/04/04: FILAZANA MIALOHA

MIKASIKA NY SEKOLY

Miarahaba antsika ray aman-dreny ny mpikarakara ny SMM ary mampatsiahy ny fotoana fianarana ho an’ny ankizy sy ny tanora ny sabotsy faha-24 aprily izao (24/04/04) manomboka amin’ny 2 ora hatramin’ny 4 ora tolakandro ao amin’ny toerana mahazatra, sous-sol Église St-Jean-de-Matha (métro Monk).** 19/04/04: RAPPEL

L’Ecole Malgache de Montréal rappelle aux parents et amis de Madagascar que le cours de malgache mensuel aura lieu (comme chaque dernier samedi du mois) ce samedi 24 Avril de 14h à 16h au sous-sol de l’Eglise St-Jean-de-Matha (métro Monk).** 14/04/04: TAKARIVAN’NY MPIANAKAVY

Miarahaba antsika Malagasy tsivakivolo monina eto Kanada. Tonga ity ny lohataona sy ny fahavaratra ary ho avy tsy ho ela ireo lanonana maro samihafa, ka anisan’izany ny fankalazantsika ny

faha- 44 taonan’ny FAHALEOVAN-TENAN’I MADAGASIKARA

Handray andraikitra ny Ray aman-dreny ao amin’ny Sekoly Malagasy eto Montréal amin’ny fanantanterahana an’izany. Koa manasa antsika rehetra hiara hikorana amin’io:

Asabotsy 26 jiona 2004 ao amin’ny Sous-sol Église St-Jean-de-Matha

Ho hitanareo miandalana ny andinindininy momba io takarivantsika io. Ka tsidiho matetika ny tranonkala www.smm.fr.tc

Dia mirary soa sy fahasalamana ho antsika rehetra.

Hoy ireo, Ray aman-dreny sy mpikarakara ao amin’ny Sekoly (S.M.M)

111** 14/04/04: CELEBRATION DE LA FETE NATIONALE MALGACHE

À l’occasion du 44ième Anniversaire de l’Indépendance de MADAGASCAR, les parents de l’École Malgache de Montréal ont le plaisir d’inviter tous les Compatriotes et Amis de Madagascar à

La soirée du 26 juin 2004

au Sous-sol de l’Eglise St-Jean-de-Matha à Montreal

Pour en savoir davantage sur tous les détails de cette soirée, veuillez consulter ultérieurement notre site www.smm.fr.tc

A très bientôt!

Les parents et l’équipe de l’Ecole Malgache de Montréal (S.M.M.)** 26/03/04: TENY FISAORANA AVY AMIN’NY S.M.M

Nanao soroka niara nilanja sy tongotra niara namindra isika tany amin’ny Cabane à Sucre, 120 no isantsika tany, nahafinaritra ny fiarahana, izany tokoa no avy amin’ny ohabolana manao hoe fanondro tokana tsy mahazo hao. Ny firaisankina tokoa no hery, koa amin’ny fo feno fankasitrahana no isaoranay mpikarakara anareo rehetra, na kely, na tanora, na lehibe. Hita soratra teny amin’ny endrika mirana izany. Na dia ratsy aza ny andro dia tsy nahasakana antsika , fa kosa avy amin’ny fitenenana manao hoe ny tsodranon’Andriamanitra no nirotsaka tamintsika rehetra tamin’ny alalan’ny oram-panalany. Koa samia tahin’Andriamanitra isika rehetra.

Hoy izahay mpikarakara ato amin’ny Sekoly.** 26/03/04: Un mot de remerciements également pour nos amis et amies de Madagascar venus se joindre à notre Cabane à Sucre traditionnelle et printanière de dimanche dernier.

Merci d’avoir répondu si chaleureusement à notre invitation!

L’équipe de l’École Malgache de Montréal,

Patrice, Sylvia, Lala, Mireille, Sr Méline, Sylvie* 09/03/04: Samia mijery ny programan’ny Cabane à sucre karakarain’ny SMM

Ho antsika eto Montréal, Ottawa, Québec sy ny manodidina tsy ankanavaka.

Tonga indray ny lohataona ka hafaliana ho anay ao amin’ny SMM no milaza amintsika mianakavy ho tonga hanafana ny Cabane à sucre na dia mbola mangitsy aza ny andro. Ireto ny programa:

Toerana: Érablière LE BEAU-SITE,150, Chemin Sous-Bois, Mont St-Grégoire dans les Cantons de l’Est.

Rahoviana: Alahady 21 marsa 2004. Fiaingana 11h30 hatramin’ny 16h30

Ohatrinona: 12$ ny lehibe; ny ankizy 4-12 taona (5.50$); 13-15 taona (7$) raha miaraka amin’ny besinimaro.

Menu traditionnel, danse, balade motorisée gratuite, balade à chevaux (1$)

Fotoana:Eo amin’ny kihon-dalana Maisonneuve-Berri (Station Autobus Voyageur) no mifampiandry manomboka amin’ny 11 ora. Amin’ny 11h30 no fiaingana ho an’ny izay handeha miaraka.

Saran-dalana:

– 3$ ho an’ny lehibe;

– Ny12 taona no midina dia tsy ampadoavina;

– Ny 13 taona hatramin’ny 16 taona dia mandoa 1$.

Ny Sekoly no hanome ny vola tsy ampy amin’ny autobus.

Koa samia ary misoratra anarana isika satria arakaraka ny fisoratana anarana no hamandriana ny autobus farafahatarany ny alahady 14 marsa ao amin’ny adiresy email sekfolk@hotmail.com na miantso ny nomerao:

(514)844-8334, Sr Méline; (514) 483-5072, Mireille na ny (514) 486-5110, Mme Lala.

Misaotra antsika rehetra,

Ny firaisan-kina no hery.

Ny mpikarakara.
** 29/02/04: Cabane à sucre karakarain’ny SMM

Ho antsika eto Montréal, Ottawa, Québec sy ny manodidina tsy ankanavaka.

Tonga indray ny lohataona ka hafaliana ho anay ao amin’ny SMM no milaza amintsika mianakavy ho tonga hanafana ny Cabane à sucre na dia mbola mangitsy aza ny andro. Ireto ny programa:

Toerana: Érablière LE BEAU-SITE,150, Chemin Sous-Bois, Mont St-Grégoire dans les Cantons de l’Est.

Rahoviana: Alahady 21 marsa 2004. Fiaingana 11h30 hatramin’ny 16h30.

Ohatrinona: 12$ ny lehibe; ny ankizy 4-12 taona (5.50$); 13-15 taona (7$) raha miaraka amin’ny besinimaro.

Menu traditionnel, danse, balade motorisée gratuite, balade à chevaux (1$)

Fotoana: Eo amin’ny kihon-dalana Maisonneuve-Berri (Station Autobus Voyageur) no mifampiandry manomboka amin’ny 11 ora. Amin’ny 11h30 no fiaingana ho an’ny izay handeha miaraka.

7$ ny saran-dalana ho an’ny lehibe, 4.50$ ho an’ny ankizy. Kanefa arakaraka ny fisoratantsika anarana no hanofana ny autobus. Koa miangavy antsika rehetra re Tompoko mba samy hisoratra anarana farafahatarany ny alahady 14 marsa ao amin’ny adiresy email sekfolk@hotmail.com na miantso ny nomerao:

(514)844-8334, Sr Méline; (514) 483-5072, Mireille na ny (514) 486-5110, Mme Lala.

Misaotra antsika rehetra,

Ny firaisan-kina no hery.

Ny mpikarakara.
** 29/02/04: Ho antsika ray aman-dreny,

Hilazana isika fa ny alarobia 3 marsa (03-03-04) sy zoma 5 marsa (05-03-04) manomboka amin’ny 2 ora hatramin’ny 4 ora, mandritry ny fialan-tsasatrin’ny ririnina(relâche scolaire), dia misy fianarana dihy ao amin’ny Sekoly Malagasy. Izany dia ao amin’ny toerana mahazatra (sous-sol Église St-Jean-De-Matha) ka raisina antanan-droa izay te ho avy.

Hisy fanalana hetaheta (collation) ary tsy misy fandraisana anjara.

Ny mpikarakara.
** 15/02/04: Miarahaba antsika ray aman-dreny ny mpikarakara ny SMM ary mampatsiahy ny fotoana fianarana ho an’ny ankizy sy ny tanora ny sabotsy faha-21 feb. manomboka amin’ny 2 ora hatramin’ny 4 ora tolakandro ao amin’ny toerana mahazatra, sous-sol Église St-Jean-de-Matha (métro Monk).

Mampilaza antsika eto koa fa ny fandaharam-potoana D’ici et D’ailleurs ny TV5 momba ny Les Montréalais d’origine malgache dia ho hitantsika ao amin’ny TV5 ny:

Alatsinainy 23 feb, 21h30;

Atalata 24 feb, 9h30;

Alarobia 25 feb, 23h 30.
** 05/01/04: Azo jerena amin’izay ireo sary tamin’ny Krismasy 2003.
Arahaba tratry ny taona vaovao 2004.

Tonga indray ity ny taona vaovao. Faly miarahaba antsika rehetra tsy ankanavaka ny Sekoly Malagasy eto Montréal.

Ho soa, ho tsara anie ny taona na ho antsika eto an-toerana na ny any Madagasikara. Homen’Andriamanitra ny fahasalamana daholo, ombàm-piadanana, fahombiazana ary harahim-pifaliana lalandava anie ny taona manontolo.

Ny mpiandraikitra:

Patrice Rajarison,

Mireille Rajaonarisoa,

Lala Rajoelisolo,

Sylvia Ranoroharimanana,

Sr Méline Razafindravao,

Sylvie Andriantsara-Razanajato
HO FANKALAZANA NY NOELY 2003 DIA NANAO TANTARA AN-TSEHATRA MIKASIKA NY NAHATERAHAN’I JESOA NY ANKIZY SY NY TANORA MALAGASY NY ALINA MASINA 24 DESAMBRA 2003. IZANY DIA NATAO TAO AMIN’NY SOUS-SOL NY EGLIZY ST-JEAN DE MATHA ARY NASEHO NANDRITRY NY TORITENY. MARO IREO ANKIZY SY TANORA NANDRAY ANJARA
TRATRY NY KRISMASY ISIKA REHETRA ARY HAHAY HANDRAY HATRANY NY FAMONJENA NENTIN’NY TOMPO JESOA.
Tamin’ny faha-11,12 ny volana Oktobra 2003 lasa teo, dia nisy Fihaonambe momban’ny Baiboly Malagasy izay natao tany New-Jersey. Nisy fanasana nataon’ny Pasitera ANDRIANI, izay tompon’andraikitra voalohany, niarahany nanantontosa tamin’ireo kristianina izay monina ao New-York, New-Jersey, Minosata ary ireo maro tsy voatanisa.

Niseho ombieny ombieny tamin’ny alalan’ny seraseracanada ireo programme izay natao tamin’ireo andro 11,12 Octobre 2003 ireo. Nisy koa ny fifandraisana an-tarobia nataon’ny tompon’andraikitry ny Fihaonambe tamin’ireo mpikarakara ao amin’ny Sekoly Malagasy eto Montréal izay nandraisany anjara tamin’ny fialam-boly ny takariva ny mpianakavy.

Tamin’io andro hariva io no nanaovan’ireo mpikarakara ao amin’ny Sekoly Malagasy eto Montréal ny famelabelarana ireo tanjona nataon’ny Sekoly sy ireo zava-bita maro hatramin’izay ka hatramin’izao.

Maro ireo mpivahiny nametraka fanontaniana maro isan-karazany, anisan’izany ry zareo ao amin’ny Ambassade Malagasy Washington izay nanome fisaorana manokana amin’ny fanohanana ny Sekoly Malagasy eto Montréal. Marihina amin’izany Andriamatoa Ambassadeur Zina ANDRIANARIVELO RAZAFY. Ao koa ireo maro tsy voatanisa .

Nasehon’ny ankizy ao amin’ny Sekoly malagasy eto Montréal koa ny santionan’ny fandihizana malagasy avy amin’ireo faritany maro indrindra ny atsimon’ny Nosy Madagasikara,ets……

Naseho tamin’ny alalan’ny sary koa ireo fandihizana tsy hita mivantana.

Dans le cadre de la semaine Québec Interculturel, Chants et danses de Kabylie (Algérie) nous ont invités, les jeunes de l’École Malgache de Montréal, à présenter des danses traditionnelles malgaches. Cette participation a eu lieu le samedi 29 novembre 2003 à l’Auditorium du Centre des Loisirs de Parc Extension. Chanteurs, danseurs et poètes prenaient part à cette fête de partage. À la fin du spectacle, tous dansèrent dans la fraternité sur la scène au rythme de la musique entraînante.Manao ahoana daholo ianareo.

Andro vitsivitsy sisa dia tonga ny Noely fahatsiarovana ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Koa dieny izao dia miarahaba anareo, miarahaba antsika rehetra, tratry ny fety ny Sekoly Malagasy (S.M.M.) sy ny mpiandraikitra ao aminy. Hitondra soa sesehena, hitondra fahasoavana ho antsika rehetra hombam-pifaliana anie io fety io ary dia ho tratry ny ela indrindra isika mianakavy.

Ho tohin’ny tamin’ny sabotsy fetin’ny ankizy izay niantsoana antsika Ray aman-dReny rehetra tonga niara-nikorana : misaotra anareo tsy nandà ny fanasana, ary misaotra ihany koa tamin’ireo kadoa noentinareo izay nahafahantsika nanaovana fifanovana am-po malalaka. Mahafinaritra ny fiarahana tahaka ireny ary enga anie mba hitohy hatrany. Misaotra ny tanora sy ny ankizy niezaka nampiseho ny talentany tsirairay; tsy mora ny manao zavatra, nefa mino izahay fa nahafinaritra anareo ny nijery ireo zanantsika nitotorebika tamin’ny alalan’ny fandraisana antsika tamin’io andro sabotsy io.

Farany, sarotra ny misaotra tena, nefa raha tsy nisy ny mpikarakara tamin’ny lafiny rehetra dia tsy tomombana ireny rehetra ireny, toy ny lakozia, ny fikarakarana ny ankizy, ny fandraisana ny Ray aman-dreny sy ny sisa. Misaotra antsika rehetra nifarimbona tamin’ny lafiny rehetra. Mankasitraka, mankatelina Tompoko hoy ny mpiandraikitra:

Patrice Rajarison

Mireille Rajaonarisoa

Lala Rajoelisolo

Sylvia Ranoroharimanana

Sr Méline Razafindravao

Sylvie Andriantsara-Razanajato