Membre de la SPEQ

 

Tantara / Zava-kendrena / ZAVATRA TANTERAHINA MANDAVA-TAONA / NY MPIANDRAIKITRA /

 

Tantara :

Niainga tamin’ny hetahetan’ny ray aman-dreny vitsivitsy ny Sekoly Malagasy eto Montréal tamin’ny taona 1995-1996. Ny fampianarana voalohany dia tany an-tokantrano, taty aoriana dia tao amin’ny sous-sol Église Saint-Jean (lalana Sainte-Catherine Est), tao amin’ny sous-sol Église Sainte-Cunégonde (lalana Saint-Jacques), ary dia mbola mitohy ao amin’ny sous-sol Église Saint-Jean-De-Matha (lalana Allard).

 

Zava-kendrena :

        a) amin’ny ankapobeny

Ny 1. Hananan’ireo mpianatra SMM fotoana hihaonana sy hianarana ny tenin-drazantsika, ny maha malagasy ary ny mba tsy hanadinoina izany;

2.    2. Ny hampifandray ny tanora, ny ankizy amin’ny malagasy sy ho an’izay rehetra maniry hianatra izany;

3.     3. Ny fampianarana ny teny sy ny fomba amam-panao malagasy amin’ireo vahiny avy eto Kanada ka lasa misionera tany Madagasikara na ireo izay tafaverina dia mbola maneho ny hetahetany amin’ny fitohizan’ny fianarany ny teny malagasy.

4.  4. Ny fampahafantarana an'i Madagasikara sy ny fampitana ny kolon-tsaina amin'ireo manodidina antsika eto Montréal/Québec sy Kanada

 

 b) amin’ny antsipiriany

1.      Fampianarana teny Malagasy fampiasa andavanandro;

2.      Fampianarana hira, dihy isan-karazany ;

3.      Fandraisana anjara amin’ny dihy miaraka amin’ireo mpandihy vahiny avy amin'ny firenena samihafa izay mipetraka eto an-toerana;

4.      Famakiana teny, fanaovana sary sy tao-zavatra, manoratra;

5.      Fampianarana fandrahoana sy fanandramana ny sakafo malagasy : vomanga, saonjo, mofo baolina, mofo menakely, mofo akondro, koba, mofo mangahazo, sns.

6.      Fampianarana kilalao fahiny: katro, fanorona, kifanga, solitaire, tsobato, rahosy jamba, avy mangataka izahay, ara-jiro, tanisa, sabaka, sns.

7.      Fampianarana fanaovana tantara, angano, tantara andampi-hazo, ankamantatra, tsianjery, hatsikana;

8.      Fampahafantarana an’i Madagasikara ara-tantara, jeografia sy ny hasina maha malagasy.

9.      Fampianarana ny manodidina sy fampahalalana ny fiainana andavanandro : momba ny fianakaviana, ny fialam-boly, ny fahasalamana sy ny vatana, ny fanisana, sns.

Zavatra tanterahina mandava-taona :

1.      Fifanakalozan’ny tanora Malagasy amin’ny tanora vahiny eto Kanada, fifanoratana (correspondance) amin’ny alalan’ny internet amin’ny ankizy na sekoly any Madagasikara ary fanaovana projet;

2.      Mampihaona ny ankizy eto Montréal isam-bolana mba hananan’izy ireo ilay fomba fisainana tia mihavana sy mivondrona;

3.      Mampihaona isan-taona ny ankizy malagasy eto Kanada;

4.      Fanangonana fitaovana ho any Sekoly : boky, sary mihetsika, oronam-peo, fitafiana, lambaoany, zava-maneno, sns.

Isaorana manokana ireo ray aman-dreny izay mahafoy fotoana mitondra ny zanany hianatra ny tenin-drazana. Isaorana ihany koa ireo mpampianatra, mpanampy mahafoy tena, fotoana, andro hampirindra ny Sekoly Malagasy. Irarina mba hisy olon-kafa vonona ny hanatevin-daharana ao amin’ny Sekoly satria ny hazo tokana tsy mba ala ary ny taon-trano tsy efan’irery.

Misaotra Tompoko!

Ny mpiandraikitra :

Lala Rajoelisolo,

Sylvia Ranoroharimanana,

Sylvie Andriantsara-Razanajato.

                                                               

     

                          Saina Malagasy   

 

 

   

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

                              

 

   

  

Ce site Web a été créé par SkUnKySkUrT.

si des liens ne fonctionnent pas envoyez moi un mail

Nov.2003